<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><lyrics>[V1]
 Atý an-tranonao izao
 No iangonanay
 Hitady soa Aminao
 Hahafaka ota anay ;
 Hiantso ny Anaranao,
 Handinika ny teninao,
 Izay mahavelona anay,
 Ka mba ambinonao.

[V2]
 Na vitsy aza eto izao,
 Na be no tonga atý,
 Dia aza mba lalovanao,
 Atreho izahay !
 Raha tonga eto Hianao
 Dia ampy izany ho anay ;
 Ny fofonain'ny Tomponay
 No mahavelom-po.

[V3]
 Raha misy mangatsia-po,
 Mba hafanao, ry Ray ;
 Iraho ny Fanahinao
 Hamelona anay.
 Hanetsika ny mafy fo
 Ho tonga mpino mankatò
 Izay lazain'ny teninao
 Hataon'ny zanakao.

[V4]
 Izay rehetra tonga atý
 Ampirisihonao ;
 Ka aoka samy hankafý
 Ny fanavotanao.
 Ny fonay mba sokafinao
 Handray ny fananaranao ;
 Ao aminao ny hery be,
 Efao ny sitrakao.

[V5]
 Ambinonao ny irakao
 Hitory teny izao ;
 Tolorinao ny hevitrao,
 Ny fony hafanao ;
 Sokafy re ny vavany,
 Tendreo koa ny lelany
 Hilaza tsara aminay
 Ny sitrakao, ry Ray.</lyrics>
<title>Aty an-tranonao izao FFPM225</title>
<hymn_number>225</hymn_number>
<author>J.H. Stockton</author>
</song>